Elisa RANDRIANIRINA : « tsy misy zaza tokony havela na havahana noho ny fahaterahany na ny maha-izy azy »

Nitsidika ny « Centre d’Accueil et de Transit des Jumeaux Abandonnés – CATJA » eto Mananjary Ramatoa Elisa RANDRIANIRINA, vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara sady Filoha Nasionalin’ny Fikambanana FANJIRY, niaraka tamin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely Michaël RANDRIANIRINA.

Fotoana nihaonana sy nihainoana mivantana ireo mpanabe, indrindra ireo ankizy tezaina ato amin’ny ivon-toerana.

Niorina handray ireo zaza kambana tsy voaray noho ny fomba amam-panao sasany teto an-toerana ny CATJA, niitatra tsikelikely tamin’ny fandraisana sy fitaizana ireo zaza kamboty sy ankizy mila fiarovana. Ankizy manodidina ny 1 200 no efa nokarakarainy tao anatin’ny 40 taona, ary 98 no mbola raisiny an-tanana ankehitriny.

Ho an-dRamatoa Elisa RANDRIANIRINA, ireo isa ireo dia tsy antontan’isa fotsiny, fa ankizy nomena vintana hianatra, hitombo ary hanorina ny hoaviny.

“Mampahery anareo mpanabe ny tenako, satria tsy mora ny andraikitra raisinareo. Ny zaza rehetra, na kambana, na kamboty, na manana toe-tena varira, na ao anatin’ny toe-javatra marefo, dia samy manana zo hitombo ao anatin’ny fiarovana, ny fitiavana ary ny fahamendrehana,”.

Izany no foto-kevitra tiany hapetraka ho ivon’ny asa sosialy tarihiny: tsy tokony hisy zaza Malagasy hiharan’ny fanilikilihana noho ny fahaterahany, ny toe-batany na ny toe-javatra nisy azy.

Mitohy amin’ny ezaka efa tarihiny amin’ny fiarovana ireo ankizy manana toe-tena varira, ny ankizy kambana ary ireo zaza marefo manerana an’i Madagasikara izao fitsidihana izao.

Tsy ny fiarovana amin’ny loza ihany no kendrena, fa ny fanomezana azy ireo fahafahana mitovy amin’ny ankizy rehetra: fahasalamana, fanabeazana, fiarovana ary fahafahana hahaleo tena rehefa lehibe.

Ho fanohanana ny asa ataon’ny CATJA dia nisy ihany koa ny vary 10 taonina sy vola 20 tapitrisa Ariary natolotra hanampiana amin’ny fikarakarana ireo ankizy sy ny fanatsarana ny tontolo iainany.

« Ny fiarahamonina mandroso dia tsy refesina amin’izay matanjaka indrindra ao aminy, fa amin’ny fomba iarovany ireo marefo indrindra, indrindra fa ny ankizy » – Elisa RANDRIANIRINA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Défiler vers le haut