Antananarivo – Avaradrano: tafapetraka amin’ny fomba ofisialy ny fikambanana Fanjiry

Hetsika tsy natao ho lanonana fotsiny, fa natao hanakaiky kokoa ny mponina sy hitondrana vahaolana mifanaraka amin’ireo filàna hita eny ifotony.

“Fifanohanana fa tsy fanomezana” no foto-kevitra napetraky ny Filoha Nasionalin’ny FANJIRY.

Tsy ny hahatonga ny olona hiandry fanampiana no tanjona, fa ny hanohana ny ezaka efa ataony lba hitohizan’ny seham-pivelomany araka ny tokony ho izy, mamokatra ary mijoro amin’ny herin’ny tenany.

Noho izany dia sehatra maro no notohanan’ny FANJIRY teto Avaradrano: fambolena sy famokarana, asa fivelomana, fanabeazana, fanatanjahantena, fahadiovana ary asa sosialy.

Anisan’ny fitaovana nozaraina ny angady, « brouettes », « arrosoirs », « pulvérisateurs », zezika sy masomboly, milina fanjairana sy fitaovam-panjairana, milina fanodinam-bokatra, fitaovana fanaovana asa-tanana sy sakafo, fitaovam-pianarana, fitaovana ara-panatanjahantena ary fitaovana maro hafa natao hanamafisana ny fahafahan’ireo fikambanana sy vondrom-piarahamonina miasa.

Nisy ihany koa ny fanohanana ireo olona manana fahasembanana sy ireo fianakaviana marefo

Ho fanohanana ireo ankohonana dia vary 21 taonina ihany koa no natolotry ny FANJIRY nandritra izao hetsika izao.

Nasongadin-dRamatoa Elisa RANDRIANIRINA fa tsy ny sandan’ny fanampiana no tena zava-dehibe, fa ny fiovana aterany eo amin’ny fiainan’ny tsirairay sy ny fiaraha monina: raha angady no omena, aoka hisy vokatra; raha milina no omena, aoka hiteraka asa sy fidiram-bola; raha fitaovam-pianarana no atolotra, aoka hanampy ankizy hanorina ny hoaviny.

Mila fiaraha-mientan’ny Fanjakana, ny vondrom-bahoakam-paritra, ny fikambanana, ny sehatra tsy miankina ary ny olom-pirenena ny fampandrosoana maharitra.

Défiler vers le haut