Elisa RANDRIANIRINA : Manitatra ny asa sosialin’ny FANJIRY ao amin’ny Faritra DIANA

Vahoaka maro be avy ao Betsiaka sy ny manodidina no tonga nihaona tamin-dRamatoa Elisa RANDRIANIRINA, Filoha Mpanorina ny Fikambanana FANJIRY, nandritra ny fandalovany tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Betsiaka, Distrikan’Ambilobe.

Fandraisana feno hafanam-po no nasehon’ny mponina, tanora, vehivavy ary ray aman-dreny nanamarika ny fanitarana ny asa sosialin’ny FANJIRY mankany amin’ny faritra avaratr’i Madagasikara.

Ny fanamorana ny fahazoan’ny olom-pirenena ny zo fototra no isan’ny laharam-pahamehana: hanomboka amin’ny fanohanana ireo vehivavy sy fianakaviana sahirana amin’ny fikarakarana kopiam-pahaterahana, kara-panondro ary bokim-pianakaviana ny asa sosialy kasain’ny FANJIRY hotanterahina ao DIANA.

Taratasy tsotra amin’ny endriny ireo, kanefa tena ilaina mba hahafahan’ny olona misitraka ny zony, mampiditra ny zanany an-tsekoly, mikarakara raharaham-panjakana ary mandray anjara feno eo amin’ny fiarahamonina.

Tsy natao kisendrasendra ny safidin’ny FANJIRY fa nialohavan’ny fihainoana sy famantarana ireo tena filàn’ny mponina mba hahafahana mitondra fanampiana mifanaraka amin’ny zava-misy sy mitady vahaolana maharitra.

Ny asa sosialy mahomby dia miainga amin’ny fihainoana ny olona ary mivadika ho vahaolana azo tsapain-tanana eo amin’ny fiainany andavanandro.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Défiler vers le haut