Namaly ny hetahetan’ny mponina ao amin’ny Fokontany Ankorondrano Andranomahery sy Ankorondrano Atsinanana ao amin’ny Boriborintany faha-telo eto Antananarivo Renivohitra ny fikambanana FANJIRY, tarihin-dRamatoa Elisa RANDRIANIRINA ny tontolon’andron’ny 30 septembre.
Amin’ny maha asa sosialy miompana amin’ny fahasalamana sy tontolo iainana azy dia nirotsaka an-tsehatra nanatontosa ny asa « HIMO » ny FANJIRY niaraka tamin’ny mponina 1 250 ao amin’ny Fokontany.
Nodiovina ireo lakandrano sy toerana ahitana fako sy fotaka, ho fiomanana indrindra amin’ny fahatongavan’ny fotoam-pahavaratra sy ny orana.
Notarihin’ny Pr Olga Ramiarinjanahary, Mpandrindra Nasionalin’ny FANJIRY, niaraka tamin’ireo mpikambana sy ny mponina teny an-toerana ny hetsika.
Nitondra fanentanana ny Fikambanana FANJIRY fa tsy ny fanadiovana indray mandeha ihany no tanjona, fa ny faharesen-dahatry ny tsirairay hitandro ny fahadiovana sy handray andraikitra amin’ny tontolo iainany isan’andro.
Ho fanohanana ireo 1 250 mpandray anjara, dia nisy fanomezana vary 6,25 taonina, fitaovam-pianarana ary 20 000 Ariary isan’olona amin’ny maha asa « HIMO » azy.
Raha jerena amin’ny asa sosialy fanaon’ny FANJIRY dia mifandray tsara eto ny fanadiovana ny tanàna, ny fisorohana ny voka-dratsin’ny orana ary ny fanohanana mivantana ny tokantrano.
Asa iray, tanjona maro: tanàna madio , lakandrano madio, fiaraha-monina miara-mandray andraikitra.
